Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena dia nampiaka-peo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely indray ny sabotsy teo ny fikambanana Vahoaka ihany, notarihin’ny filohany, Bruno Ravelonanosy.
Ny 21 aprily izahay, hoy ny sekretera jeneraly, Adolph Randrianandrasana, dia efa teto ary tsy hiala teto mandra-pahatonga ny fiovana karohina ato anatin’izao tolona izao. Fotoana hanararaotana izao hitondrana ny feom-bahoaka satria teo foana ny vahoaka rehefa misy asan-dahalo, rehefa misy asa tanamaro, rehefa misy tolona saingy tsy nohenoina kosa izy rehefa nisy ny narary azy. Be dia be ny taniny sy tranony lasa tao anatin’ity fitondrana ity. Tsy tokony hiala andraikitra ireo mpitondra hoe tamin’ny tetezamita izany satria samy nitondra tao anatin’ny tetezamita avokoa ireo nitondra ankehitriny. Avereno moramora amin’ny vahoaka ny fahefana rehefa takiany, hoy hatrany ny vahoaka ihany. Tsy manambany ny komitin’ny fampihavanam-pirenena akory, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Bruno Ravelonanosy fa tokony hajanona ny asan’ny CFM rehefa hita fa vao mainka Manakorontana. Ity tolon’ny depiote 73 ity ihany no tena ekenay satria eto ny vahoaka no afaka milaza ny hetahetany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.