Politique

Fikambanana tsy manao politika Nitory ny filohan`ny HCC


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Tapitra ny 12 ora omaly nomen`ireo fikambanana tsy manao politika samihafa mitaky ny fialan`ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Jean Eric Rakotoarisoa,

 sy ireo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Tsy nisy ny famaliana ny fanairana hoy i Eric Christian Rambeloson, mpandrindra ireo fikambanana samihafa. Araka izany, dia efa tafapetraka eny anivon’ny fitsarana an-tampony ny fitoriana ny filohan’ny HCC.   Nohamafisin’izy ireo mantsy fa ny HCC no fototry ny olana misy eto amin’ny firenena amin’izao sady mitanila eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Mitaky ihany koa izy ireo ny handraisan’ny filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao ny andraikitra hentitra ka handravany ny governemanta misy ankehitriny, satria nambarany fa angady tsy mahatapak’ahitra, ary tsy mahavita ny andraikitra nampiandraiketana azy ny governemanta, indrindra amin`ny fikarakarana fifidianana madio sy mangarahara ao anatin’ny fitoniana. Nohamafisin’izy ireo fa tsy fanakorontanana akory izao hatao izao fa fanakanana ny zava-doza mety hateraky ny fiziriziriana amin’ny fanaovana tery vaimanta ny fifidianana, ao anatina fifanjevoan-kevitra. Marihana fa ny alarobia lasa teo ireo fikambanana samihafa ireo no nitaky ny fandraisan`andraikitra raisin`ny Fitondram-panjakana manoloana ny olana sedrain`ny vahoaka Malagasy.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT