Mandray anjara feno ary mankasitraka ny fitakiana ny rariny sy hitsiny handresena ny hosoka sy ny kolikoly tamin’ny fifidianana ny Tanora Mandray Andraikitra (TMA), tarihin’i Tsiry Andriamihantasoa,
araka ny fanehoan-keviny teny Analakely nandritra ny hetsika ny sabotsy 29 desambra lasa teo. Tena nisy ny hosoka nataon’ny kandida faha-13, hoy izy, ka takiany sy ny fikambanana tarihiny ny fanintsanana (Disqualification) an’i Andry Rajoelina tsy ho anisan’ny kandida. Raha manaraka ny lalàna izay lazaina fa azo atao ny mandraraka ny kandida araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana, dia mino izahay ary mahatoky tanteraka ny HCC amin’ny fanapahana horaisiny sy hampiharany ny lalàna miainga amin’ny fandinihana ireo andinin-dalàna samihafa satria betsaka no tsy voahaja. Betsaka ny fandikan-dalàna, toy ny fampiasana olom-panjakana, indrindra ny bileta tokana izay voafaritry ny lalàm-pifidianana fa mila hasiana « numéro de séries » kanefa dia tsy nisy an’izany, izay midika fa efa nomanina ny hala-bato, hoy ity filohana fikambanana ity. Hita foana ny Tanora Mandray Andraikitra raha mbola hetsika hitakiana ny tombontsoam-bahoaka, ary rehefa ny vahoaka no mitroatra dia eo foana izahay, hoy i Tsiry Andrimihantasoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.