Nanambara ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Tanora Mandray Andraikitra (TMA) fa nanapa-kevitra ny hanohana ny Filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana.
Vonona aho sy ny fikambanana tarihiko, hoy ny filohan’izy ireo, Tsiry Andriamihantasoa, ny hampiasa izay eo am-pelatananay rehetra hampandaniana ity kandida ity ho eo amin'ny Fitondrana indray. Heverinay fa ny Filoha Ravalomanana irery ihany no afaka hanarina an'ity Firenena ity ao anatin'ny fotoana fohy. Niaraha-nahita ny zava-bita teo anelanelan’ny taona 2002 ka hatramin’ny 2009 izay narodan’ny fanonganam-panjakana ary nihazakazaka ny fihenan’ny taham-pahantrana tamin’izany fotoana. Ankehitriny anefa, hoy izy ireo, dia latsaka an-katerena ny firenena ka amim-pitiavan-tanindrazana no hiantsoana ny mpiray tanindrazana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.