Politique

Fikambanana Tandroharena “Tsy ampy ny fandravana ny governemanta.”


  • Talata 29 Mey 2018

Nanamafy ny avy eo anivon’ny fikambanana Tandroharena Madagasikara, izay fikambanana siantifika miompana amin’ny fampanjariana ny harena sy ny vakoka ary lovam-pirenena fa mbola mitohy manohana ny hetsik’ireo depiote miisa 73 etsy amin’ny 13 mey izy ireo.

Nohamafisiny fa tsy antoko politika akory ny fikambanana saingy hivondronana olom-pirenena kosa ary tsy afa-miala amin’ny toe-draharaha politika mitranga eto amin’ny firenena. Misy fiantraikany goavana amin’ny kolontsaim-pirenena ary tena namotika izany, indrindra ny fomba fitantanana nentin’izao fitondran’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izao, raha ny fanazavana hatrany. Namono ny hasim-pirenena ny fanaovany ankilabao ny kolontsaina tao anatin’ny 4 taona. Tsy mbola voafaritra mazava ny politika misahana ny kolontsaina eto. Tsy hita popoka ny tohin’ny raharaha mikasika ny satroboninahitry ny mpanjaka very. Tsy nasiana resaka ny manjo ny rovan’Ilafy. Tsy lazaina intsony ny momba ny raharaha Manjakamiadana sy ireo vakoka hafa any amin’ny faritany. Harem-pirenena voalohany indrindra, hoy izy ireo, ny olombelona kanefa dia mahonena ny mandre fa noho ny fikasana ny fametrahana ireo tany manan-tsata manokana na ZES dia velaran-tany an’arivony hektara maro no efa manomboka lasan’ireo vahiny nomena ny fifanarahana ary anisan’ireo foko lasibatra ny Mikea any Atsimo. Raha izao no mitohy dia hotahirizin’ireo vahiny any anaty valanjavaboary toy ireny taranak’olondia amerikanina fahiny ireny koa isika.  Tsy ny minisitry ny kolontsaina irery no tompon’andraikitra amin’ny fahavoazana fa ny filoham-pirenena sy ny rantsamangaikany manontolo, noho izany, tokony hahatsapa tena ka hametra-pialana daholo. Tsy ampy ny fandravana governemanta, hoy hatrany ny Tandroharena. 

J. Mirija


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT