Politique

Fikambanana Soluma « Tokony hametra-pialana ireo depiote 151 »


  • Talata 15 Mey 2018

Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika, fikambanana, vondrona sy izay mahatsiaro tafiditra ao anatin’ny raharaham-pirenena ankehitriny rehetra manoloana ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana.

 Ry zareo avy eo anivon’ny fiombonan’ireo avara-pianarana eto Madagasikara na ny Soluma, tarihin’ny filohany, Berija Ravelomanantsoa, dia nanao antso avo ny mba hisian’ny fifampidinihana eo amin’ireo mpifanandrina politika eto Madagasikara, tetsy Antaninarenina omaly. Mangataka adihevitra hijerena ny tombontsoa ambonin’ny firenena izahay, hoy izy, satria dia iaraha-mahita fa ady seza ilay raha. Efa nandalo krizy isika nanomboka ny taona 1972 no ho mankaty ary tsy nisy fandrosoana nentiny fa fihemorana hatrany. Miantso ny tanora rehetra, indrindra ireo mpianatra. Aza mafana fo be fahatany. Efa niainanay izany atao hoe “Taona fotsy” izany, hoy ny tenany, ary tena nanenenana. Raha tiana ny hametrahan’ny filoham-pirenena ankehitriny fialana dia tokony hanome ohatra aloha ireo depiote miisa 151 satria teny Tsimbazaza no nipoiran’io resaka kolikoly avo lenta io. Tokony hametra-pialana daholo aloha ireo depiote, hoy hatrany ny fanazavany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT