Naneho ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny fikambanana RPSH (Rassemblement pour la Solidarite Humaine) ka nilazany fa samy tsara avokoa ny vinan`ireo kandidà roa nifaninana tamin`ny fihodinana faharoa fa saingy ny manahirana ny vahoaka dia ny fanatanterahana azy ieo,
sao lasa vilian-tsahona, malaza tsy hinanana, volan-kankafotra, omaly tsy miova. Arak’izany, tokony manao velirano an-taratasy izay ho Filoham-pirenena satria “verba volan” mba ho lasa “scripta manan” hoy ny filoha nasionalin’ny RPSH, Behivoka Georges. Raha tsy tanteraka ireo vina ireo ao anatin’ny roa taona dia tokony hametra-pialana tsotra mba hialàna amin’ny fidinana an-dalam-be hakana fahefana,izay tsy eken’ny tarihim-bola iraisam-pirenana (FMI). Nanindry ihany koa ity filoha ity fa toa tsy nisy nanisy resaka fitakiana Iles Eparses tao anatin`ny programan’asan`ireo kandidà roa tonta. Nanambara ihany koa ny RPHS ny handinihan’ny governemanta izay mitsangana eo ny andininy faha -69, ao amin’ny lalàmpanorenana, mikasika ny Antenimieram-pirenena, ho ferana ny fahazaoana milatsaka solombavambahoaka, atao tahaka ny filoham-pirenena, ho ferana ny fahazaoana milatsaka solombavam-bahoaka, atao tahakan’ny filoham-pirenena, fidina hiasa mandritry ny 5 taona, azo havaozina indray mandeha; tahak’izany koa, ny Antenimieran-doholona, ny ben’ny tanàna. Raha ho fidina koa ny sefo fokontany sy ny lehiben`ny faritra dia tokony amin’ireo voalaza ireo ary tsy mihoatra ny roa ny fe-potoana hiasàna ka atao “post electif” avokoa, hoy hatrany ny fanazavana nentin`i Behivoka Georges.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.