Tsy mbola tafavoaka tanteraka ao anatin’ny krizy i Madagasikara raha ny toe-draharaha misy ankehitriny. Io ny nambaran’ireo mpikambana avy eo anivon’ny antoko RPM (Rassemblement pour Madagascar) omaly tetsy amin’ny Motel Anosy.
Raha tiana ny hivoahan’i Madagasikara amin’izao olana izao dia ilaina ny hisian’ny fampihavanana tena izy, hoy izy ireo. Notsindrian’i Gilbert Raharizatovo fa “tokony hampodiana ny sesitany politika fa izany no mariky ny tena fampihavanana”, ilaina ny fandraisana anjaran’ny filoha nifandimby teto satria izy ireo no andrin’izany fampihavanana izany eto Madagasikara amin’ny maha efa mpitondra azy ireo. Na izany aza anefa dia tsy tokony hailika ireo mpisehatra hafa eto amin’ny firenena fa horaisina hatrany ny hevitr’izy ireny. “Vaovao tsara”, hoy hatrany izy ireo ny fahenoana fa horaisin’ny filoham-pirenena an-tanana ny fampihavanana saingy “tokony hilaza ny heviny sy hanome daty mazava ny filoha” ny amin’ny hanatanterahana izany mba tsy ho teny manidina sy fandaminan-dresaka fotsiny indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.