Politique

Fikambanana “Ravinala” Toamasina Mitaky ny hanaovana fifidianana filoham-pirenen


  • Alatsinainy 22 Jona 2015

Taorian’ny filazan’Atoa Pierrot Rajaonarivelo tao Toamasina fa tsy vahaolana ny fanaovana ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana dia nivoaka tamin’ny fahanginany ihany koa ny fikambanana RAVINALA

 

 

. Amin’ity fikambanana ity dia ny fanaovana ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana izay tohanan’ny Armada na ny Vovonana Ambodivona teo aloha  ihany no vahaolana, eo amin’ny olana sy disadisa ara-politika misy eo amin’ny solombavambahoaka sy ny filoham-pirenena ary ny governemanta izao. Ho an’ny fikambanana Ravinala dia hametraka fitoniana ara-politika ny fanatontosana izany, satria ny olana napetraky ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ary ny birao maharitra tao antiny, tamin’ny fomba “tsy nanara-penitra” loatra, no anton’izao olana izao. An-kilan’izay dia nomarihan’ireto mpikambana ao amin’ity fikambanana ity hatrany fa ho avy tsy ho ela ny famoahan’izy ireo ny anaran’ireo olona miisa 5, araka ny fahitan’izy ireo azy, izay mpanao trafika na andramena, raha mbola minia mikipy amin’ny tsy fandraisana andraikitra azy ireo ny fanjakana izay mahalala tsara ireo olona ireo. Ankoatra izay, ny fanararaotam-pahefana sy fangoronan-karena ataon’ireo mpiasa sasany eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fampidiram-bolam-panjakana ao Toamasina. Hita taratra koa ny tsy fanajana lalàna ho an’ireo kandida sasany izay mpiasam-panjakana nefa tsy mametra-pialana amin’ny asany, izay takian’izy ireo ny hanajana izany mba hampitovy lenta ny kandida rehetra hiatrika.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT