Tena misy ny olana eo amin’ny andrim-panjakana eto Madagasikara, hoy ny Otrikafo tarihan’Atoa Rajaonah Andrianjaka miaraka amin’ny FLN
. Vaky ny ady eo amin’ny fahefana mpanao Lalàna dia ny antenimieram-pirenena, ary ny Fahefana mpanatanteraka izay tarihan’ny filoham-pirenena, hoy ny fanambarana, tsy mba sarinady toy ny teo aloha intsony izy ity, fa ady mitondra amin’ny famonoana ho faty ny Fanjakana mijoro. Ho an’ny Otrikafo dia « nifanao dina miafina i Hery Rajaonarimampianina sy i Marc Ravalomanana. Tsy telin’i Lafrantsa anefa izany, ka ny Antenimieram-pirenena no natosiny hanala ny filoha Rajaonarimampianina ». Raha ny fiainam-bahoaka ary ny fiainam-pirenena no itsarana ny asa vita dia hadisoam-panantenana no misongadina,hoy ny Otrikafo. Tsy mitsaha-mitotongana ny fiainam-bahoaka. Varoboba no anaovana ny harem-pirenena. Ankoatra izany ny fanomezana tany ny vahiny ary fanaovana barofo fotsiny izao ny tanin’ny olom-pirenena Malagasy.Mahitsy ny fanambarana manao hoe: taratry ny finiavan’ny Fanjakana Firantsay hanamafy ny fangejany an’i Madagasikara izao fihitsohan’ny Andrimpanjakana izao. Hiantraika any amin’ny Andrimpanjakana hafa toy ny HCC, ny Tafika, sns, ihany koa izao toe-draharaha misy izao. Mampitandrina ny Otrikafo satria mety mikasa indray hanao tohatra fiakarana ny vahoaka ireo mpanao politika ireo amin’ny alalan’ny fifidianana. Mahaiza manavaka ny vary amin’ny tsiparifary, hoy ity fikambanana ity.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.