Nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona vaovao teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny Fikambanana Olona Hasin’ny Tany (OHT) omaly tolakandro.
Naneho fiarahabana ny Malagasy tsivakivolo, ary nirary taona zina ho an’ny isam-batan’olona sy ny firenena. Manaraka akaiky sy mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena ny OHT, ka nilazan’Atoa Emile Ratefinanahary fa tena samy nitebiteby ny rehetra na taloha na nandritra na taorian’ny fifidianana hoe: hilamina ve ity firenentsika ity ? Noho ny fametrahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena, fitazonana ny soatoavina Malagasy, ny soatoavina Repoblikanina ary ny soatoavina Demokratika, dia lasa maodelin’ny firenentsika, hoy izy. Nankasitraka ny fihetsik’ireo kandida mianaka dia i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny OHT. Nirary soa ny Filoha nambaran’ny HCC fa lany dia Atoa Andry Rajoelina mba hahavita sy hahatanteraka ny vina nampanantenaina ny vahoaka Malagasy. Ny tombontsoam-pirenena no ambony indrindra ho anay, hoy ny OHT ka nilazan’izy ireo fa tsy vitan’olona irery na antoko tokana na vondrona fa ny olom-pirenena tsirairay avy dia mila mitondra ny anjara biriky ho amin’ny fampandrosoana, hoy i Emile Ratefinanahary. Nilaza ny OHT fa vonona ny hitondra ny anjara birikiny izay efa nataony foana ho fampandrosoana ny firenena. Mila fiaraha-misalahy ny fampandrosoana ny firenena. Miantso ny mpanao politika, ny firaisamonim-pirenena, ny vahoaka rehetra hampirina ny hambom-po sy hanetsika ny fitiavan-tanindrazana ny OHT ka tsy hijery afa tsy ny tombontsoam-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.