Politique

Fikambanana OHT Manohana an`i Mahafaly Olivier


  • Talata 25 Septambra 2018

Hanohana ny kandidà Solonandrasana Mahafaly Olivier, izay mitondra ny laharana 22, ny fikambanana Olon`ny Hasin`ny Tany (OHT) mandritra ny safidim-bahoaka ny 07 novambra ho avy izao.

 Raha ny nambaran` i Emile Ratefinanahary, resy lahatra ny fikambanana satria olona niomana sy manana traikefa amin`ny fitantanan-draharaha i Mahafaly Olivier ary tsy hamitaka vahoaka izany. Nohamarin`ny fikambanana fa isan`ny nandalo ny antanantoham-pitantanana sy praiministra teo aloha ihany koa ny kandidà ho tohananany. Hametraka ilay “miara-mandroso ny faritra rehetra’i Mahafaly Olivier sady hanova ny sakana rehetra mampikatso an`i Madagasikara. Azon`ny OHT antoka kosa fa tsy hamitaka ny vahoaka, hitana ny teny nomeny ary tsy hivadika amin`ny fifanekena izay ataony amin`ny vahoaka Malagasy ny Praiministra teo aloha. Manao antso avo amin`ny antoko politika, fikambanana samihafa, olom-pirenena rehetra ny OHT  mba hira-hientana sy hiray hina hanavottra an`i Gasikara arak any nambaran`ny mpitarika ny fikambanana. Mijoro ny Olon`ny hasin`ny Firenena mba tsy ho voafitaka ary efa misandrahaka any amin`ny distrika rehetra manerana ny nosy ny Antoko, hoy hatrany ny fanazavana nandritra ny kongresy ny Fikambanana Olon`ny Hasin`ny Tany omaly tetsy Antaninarenina.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT