Hanohana ny kandidà Mahafaly Olivier, izay mitondra ny laharana 22, ny fikambanana Olon`ny Hasin`ny Tany (OHT) mandritra ny safidim-bahoaka ny 07 Novambra ho avy izao..
Raha ny nambaran` I Emile Ratefinanahary, resy lahatra ny fikambanana satria olona niomana sy manana traikefa amin`ny fitantanaan-draharaha I Mahafaly Olivier ary tsy hamitaka vahoaka izany. Nohamarin`ny fikambanana fa isan`ny nandalo ny antanantoham-pitantanana sy praiministra teo aloha ihany koa ny kandidà ho tohananany. Hametraka ilay “miara-mandroso ny faritra rehetra”I Mahafaly Olivier sady hanova ny sakana rehetra mampikatso an`I Madagasikara. Azon`ny OHT antoka kosa fa tsy hamitaka ny vahoaka, hitana ny teny nomeny ary tsy hivadika amin`ny fifanekena izay ataony amin`ny vahoaka Malagasy ny Praiministra teo aloha. Manao antso avo amin`ny antoko potika , fikambanana samihafa, olom-pirenena rehetra ny OHT mba hira-hientana sy hiray hina hanavottra an`I Gasikara arak any nambaran`ny mpitarika ny fikambanana. Mijoro ny Olon`ny hasinn`ny Firenena mba tsy ho voafitaka ary efa misandrahaka any amin`ny distrika rehetra manerana ny nosy ny Antoko, hoy hatrany ny fanazavana nandritra ny kongresy ny Fikambanana Olon`ny Hasin`ny Tany omaly tetsy Antaninarenina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.