Politique

Fikambanana Mampiray Mitombo ny asa soa fanao tamin’ny fankalazana ny 8 martsa


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Efa tena fanaon’ny fikambanana Mampiray tarihako, hoy ny solombavambahoaka Andrianarivo Harimampianiana Razakarivelo filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Fianarantsoa, ny fanaovana asa soa fa tsy hoe amin’izao fankalazana ny 8 martsa izao izahay vao mijery ny mpiara-belona izahay.

 

Mitombo fotsiny ny hetsika hatao nanomboka ny alakamisy tany Ambositra toerana nahavoafidy ny tenako amin’izay fankalazana ny andron’ny vehivavy maneran-tany izay, hoy izy,  ka tamin’ny alalan’ny fizarana bodofotsy ho an’ireo vehivavy bevohoka no nanohizana izany. Ny zoma 6 martsa kosa dia nitsidika ny hopitaly sy ny trano fampiterahana na « matérnité » ny fikambanana nitondra ny tsirambin’ny tanana ho an’ny vehivavy marary sy ireo terabao, ny sabotsy 7 martsa dia nisy ny asa fanadiovana natao tao an-tanàna sy ny fambolen-kazo niraisan’ireo andriambavilanitra indrindra indrindra ary ny alahady 8 martsa ivon’ny fankalazana  dia nisy ny fanompoam-pivavahana lehibe notontosaina tao Ambositra ihany ary mbola ny fikambanana Miray ihany no tompo-marika tamin’izany. Marihina fa ny andron’ny 5 martsa antoandro teo dia tazana teny amin’ny « Hall » ny lapan’ny Antenimieram-pirenena nanaovana ny hetsika « telethon » ho an’ireo traboina sy kere manerana ny Nosy, nanolotra fanampiana  amin’ny maha solombavambahoaka azy ity depiote voafidy tany Ambositra ity.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT