Politique

Fikambanana Malagasy Mijoro Mankahery ny praiminisitra Ravelonarivo hahaleo hahalasa


  • Talata 27 Janoary 2015

Namory ireo mpikambana ao aminy teto Antananarivo ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Centre Iray Aina eny Andavamamba, ny fikambanana Malagasy Mijoro avy eny amin’ny faritra iva ka namoaka fanambarana niombonana amin’ny fisaorana an’Andriamatoa filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fanendrena ny jeneraly Ravelonarivo Jean ho praiminisitra

 

. Tianay sy maminay vahoaka monina ety amin’ny faritra iva ety tokoa io praiminisitra io satria tsy mbola vita akory ny famindram-pahefana taminy sy ny teo aloha nosoloiny dia efa tonga namangy sy nanolotra fanomezana ho anay vahoaka sahirana indrindra ireo traboina tety ambany tanàna izy. Midika izany fa akaiky anay sy mijery anay vahoaka izy sy ny vadiny satria Ramatoa Josiane Ravelonarivo koa izay vady andefimandriny dia tonga nanolotra vary sy paty ary menaka ho anay vahoaka sahirana izay tamin’ny alalan’ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy  Rajaonarimampianina. Notohizan’ireo mpitondra teny dia Aina Rabarisoloaritefy sy Gervais Randrianarisoa ny famakiana ny fanambarana tamin’ny filazana fa : mijoro izahay vahoaka ambany tanàna ankehitriny Atoa Praiminisitra ka mitso-drano sy mankahery anao amin’ny asa sy adidy miandry anao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT