Tsy fikambanana politika akory ny fikambanana maitso ririnina fa rehefa mandinika ny fizotry ny raharaham-pirenena kosa dia tapa-kevitra ny hanohana kandida,
hoy ny tompon’andraikitry ny serasera avy eo anivon’ny fikambanana, Nirina Ramanantsoa. Ny kandida, Hery Rajaonarimampianina no nofidianay hotohanana, hoy izy ireo satria ilaina ny manohy ny tetikasa efa natomboka. Ireo mpitondra vaovao matetika dia tsy manohy ny tetikasa vitan’ny teo aloha na tsara aza ilay tetikasa efa vita. Tarigetranay ny hisian’ny fampandrosoana hombam-pahendrena. Tanjon’ny fikambanana ny hamerina ny soatoavina sy ny antanan-tohatra najain’ireo razantsika ary misehatra eo amin’ny fiarovana ny vako-pirenena koa ny fikambanana. Tsy manana loharanom-bola afa-tsy ny latsakemboky ny mpikambana sy ny fanampian’ny malalatanana izahay, hoy izy ireo, ary ny hevitr’ity filoham-pirenena ity no hanohananay azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.