Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fikambanana Mafami hivondronan’ny fikambanan’ny mpianatra, ny mpandraharaha ary ny mpiasa eto amin’ny faritanin’Antananarivo
. Mbola misy ny fikambanana ary velona, hoy i Hasimpirenena mpitondra teniny, omaly, na dia somary nangingina kely aza teo aloha teo. Hanatanteraka ny fifidianana izay ho mpikambana ao anatin’ny birao nasionaly izy ireo ny volana Aprily ho avy izao, dingana lehibe sady goavana hahafahan’ny fikambanana miroso amin’ny asa natrehiny toy ny teo aloha indray. Tsy manao politika ny fikambanana. Efa 30 taona izao no nisiany ary miezaka mifototra amin’ny lafiny ara-tsosialy izy toy ny fifanampiana sy ny fifanomezan-tanan’ny mpikambana amin’ny mpiara-belona. Anisan’izany ny fanorona hevitra ireo mpianatra hanohy fianarana eny amin’ny anjery manontolo…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.