Politique

Fikambanana Kandida Miray Mitaky fifidianana mangarahara ao Mahajanga


  • Talata 07 Jolay 2015

Handray andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ho avy izao ireo kandida mpilatsaka hofidiana ao Mahajanga mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana, indrindra amin’ny fotoana fanisam-bato.

 

 Anisan’ny lesoka hita tamin’ny fifidianana farany teo iny ny hala-bato ataon’ireo kandida sasany mba hampandaniana ny olony. Tsy hanaiky izany anefa ireo kandida mivondrona ao anatin’ny fikambanana iray ity fa dia mitaky ny fampiharana mangarahara hatrany izy ireo. Paikady iray no atolotr’izy ireo ny vaomiera mahaleotena ny misahana ny fifidianana dia ny fisavana ireo mpifidy mialoha ny hidirana ao anatin’ny trano fandatsaham-bato. Io no teknika mahomby atolotr’izy ireo mba ialana amin’ny hala-bato mandritra ny fotoam-pifidianana. Ireo mpikambana avy amin’ny antoko misy azy tsirairay no hiara-kifanome tanana amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana izao ka hatramin’ny fanisam-bato. Nokianin’ireo kandida ireo ny tsy fidiran’ny antoko HVM ao anatin’ny fikambanana izay misy azy ireo io satria dia efa niezaka hatrany ireto farany niantso azy mba hiaraka hanara-maso ny fifidianana saingy tsy nisy tonga ny solontenan’ny kandida na iray aza.

Tolin

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT