Vaky ny ady eo amin’ny fikambanana HAFARI Malagasy tarihin’ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina sy ny solombavambahoaka Naivo Raholdina voafidy tao amin’ny Boriborintany fahadimy teto Antananarivo renivohitra. Hitory ity farany ny fikambanana noho ny vava nataon’ity
solombavambahoaka ity taminy, raha araka ny fantatra. Tsy miala aminy izahay hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina raha misy zavatra mahazo ny mpikambana. Fototry ny olana raha tsiahivina ny tsy fankasitrahan’ity solombavambahoaka ity ny fiaraha-miasan’ny HAFARI amin’ny fitondram-panjakana sy ny tsy fankasitrahany ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta raha araka ny nambaran’ny filohan’ny HAFARI. Tsy maintsy miara-miasa amin’izay fanjakana mijoro eo izahay hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina Tsy mbola nandray vola tamin’ny karana araka ny resabe haely ihany koa no sady tsy mbola naka an-keriny tanin’olona. Nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa afaka mitory ny fikambanana tarihiny izay te-hanao izany. Tsy vonona ny hanao totohondry amin’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina ihany koa izy fa miantso ny fifanatrehan’ny roa tonta raha toa ka vonona itsy voalohany. Nasiany resaka manokana moa ny fisiana andian’olona voakarama manakorontana azy an-telefaonina rehefa manatontosa fandaharana amin’ny radio izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.