Tsy hanatanteraka ilay “sit in” saika hataony anio zoma eny Anosy indray ny fikambanana HAFARI Malagasy noho ny fanararaotana mety hataon’ny mpanao politika sy ny mpanakorontana. Tsy maninona raha lazaina aza fa resy izahay amin’izany, hoy izy
. Tsy ny fikambanana tarihiny mantsy, raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina, no handeha hamboly korontana eto amin’ny firenena fa fitoniana no tadiaviny ary tsy tarigetran’ny Hafari mihitsy izany hidina an-dalambe izany. Notsindriany anefa fa tsy nisy tsindry avy tamin’ny ao ambony araka ny filazan’ny sasany azy ny antony nanajanonany izao “sit in” izao fa nahim-pony sy ireo mpikambana ao aminy madiodio. Tsy mpamono afo izany izahay, hoy ny lehilahy. Notsiahivin’ny filohan’ny HAFARI Malagasy moa fa fitalahoana amin’ireo mpanao fitokonana no saika hataony amin’io “sit in” io ho fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka. Betsaka mantsy, hoy izy ny voka-dratsy aterak’izany eto amin’ny firenena toy ny famotsorana ireo jiolahy notazonina teny amin’ny polisy, ny ranomason’ireo fianakaviana manana olona naiditra am-ponja tokony hotsaraina… Notsindrin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa handefa taratasy any amin’ireo mpiraki-draharaha ny tenany ho fialan-tsiny raha ilaina izany ary nambarany fa tsy mbola nisy fitoriana mikasika an’io sampandraharaha io voarain’ny Hafari avy tamin’ny olona tonga nitaraina tao amin-dry zareo. Nisafidy ny hangina amin’ity resaka fitokonan’ny mpiraki-draharaha sy ny sampandraharahan’ny fananan-tany ity izahay, hoy izy, satria roritin’ny mpanao politika ny raharaha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.