Izahay eo anivon’ny fikambanana GAsy KA MAhery (GAKAMA), hoy ny Maitre Michel le Dragon mpitarika azy ireo izay mpahay ady maro dia miandry izay filoham-pirenena vaovao ho lany eo.
Tsy manana fahavalo olombelona izahay fa raha ny faniriana aza dia mba angady sy famafa no holanjain’ireo mpitandro filaminana rehefa tonga ny 26 jona. Izany no hirariana mba ho marika fa firenena mamokatra sy milamina i Madagasikara. Miantso ny vahoaka Malagasy aho mba tsy higidragidra satria hifandombera ihany ireo mpifaninana politika ireo atsy ho atsy. Mila voizina eto hatrany, hoy ny tenany, izay kolontsaina tsy tia gidragidra izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.