Nanjaka ny demokrasia tao amin’ny Lapan’ny tanŕna omaly nandritra ny fivoriana voalohany nifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Filankevitry ny tanŕna.
Lasan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) avokoa ny toerana rehetra, ny TIM izay manana ny maro an’isa, mpanolotsaina 31 amin’ny 55 mandrafitra ny Parlemantan’ny tanàna. Tsy nisy mpifaninana ireo kandida narotsaky ny TIM tamin’ireo toerana rehetra nofidiana.
Manana mpanolotsaina miisa 17 ao amin’ny Filankevitry ny tanàna ny Freedom, saingy nisafidy ny tsy handrotsaka kandida, izay zony tanteraka. Mety natahotra sao tsy hahazo vato 17 isan’ny mpanolotsainy ihany koa anefa ny kandidany raha nandrotsaka teo ka mety natahotra izay tranga izay i Lalatiana Rakotondrazafy mpitarika ny Freedom dia nihemotra, izy tenany rahateo koa moa tsy afaka mirotsaka hofidiana noho izy efa kandida Ben’ny tanàna tsy lany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.