Nitrangana hain-trano vokatry ny fampiasana taribin-jiro “tsy manara-penitra” ireo mpivarotra miisa 11 tao bazary kely, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 2ora maraina.
Tsy nisy azo noraisina ireo enta-madinika sy lamba ary fitaovana samihafa fivarotana izay mitentina am-polony tapitrisa ariary. Noho ny ezaky ny mpamonjy voinan’ny kaominina sy ny mpivarotra ary ny mponina manodidina nifanampy, dia tsy niitatra ny afo na trano hazo sy fanitso avokoa aza ireo manodidina azy. Nanolotra fanampiana azy ireo ny fikambanana Fivoy niaraka tamin’ny Hvm Toamasina, ka nanolotra fanitso 40. Nandritra izay koa dia nohararaotin’i Dr Zara Hassanaly Patrick ihany koa ny nitafa tamin’ireo mpivarotra tao bazary kely, ity dokotera ity izay olon’ny “Fivoy” ny minisitra Ndahimananjara Johannita saingy natolotra sy tohanan’ny Hvm Toamasina amin’ny fifidianana ho avy izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.