Natomboka ny talata teo tetsy Andrefanambohijanahary ny hetsika fanentanan-dry zareo avy eo anivon’ny FIkambanan’ny TAnora FIlamatra mandray andraikitra (FITAFI).
Famelabelaran-kevitra arahina adihevitra mitondra ny lohateny hoe “inona ireo mason-tsivana hifidianana filoham-pirenena ?” no nanasan’izy ireo manampahaizana momba ny politika teny an-toerana tamin’io fotoana io. Antony nanaovana ny hetsika izay nosantarina teto Antananarivo, hoy ny filohan’ny fikambanana, ny mba hahafahan’ny olom-pirenena mitandrina izay fidiany satria dia taranaka maro no ho sorona raha sanatria ka diso ny safidintsika. Mba haha to ny filana fototra ilaintsika, toy ny sakafo sy rano ara-dalàna ve ilay fidiana ? Mitombina ve ny vinany ary hahalavorary ny filana arak’asa ? Ampahany ireo fa mba tokony tsy ho latsaky ny 10 ireo mason-tsivana hitan’ny olompirenena no tanjona, hoy ny FITAFI.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.