Ny kaominina Alakamisy Ambano indray no nisitraka ny fanampiana sy fanohanana nataon’ny Depiote Ravelohanitra Nirina ny faran’ny herinandro teo.
Fizarana fitaovam-pamokarana toy ny angady no nataony tamin’izany, miaraka tamin’ny fikambanana FAIV na ny “Fampandrosoana an’I Vakinankaratra”, ao Antsirabe faharoa izany. Angady niisa 250 teo ho an’ireo tantsaha no nataony tamin’izany, araka ny fangatahan’ireo mponina tany an-toerana. Nanamarika moa ny tenany raha nitafa tamin’ny mpanao gazety fa eo ny fangatahan’ny olona fa eo ihany koa ny fanampiana azy ireo mba hamokatra ihany koa ka izay no tsy nizarana vary ho azy ireo tahaka ny mahazatra. Nomarihina fa anisan’ireo kaominina tena mpamboly ny ao Alakamisy Ambano ao ka rariny raha ny fitaovam-pamokarana toy izao no atolotra azy ireo mba ho fampirisihana azy ireo hamokatra bebe kokoa hatrany. Fa nandritra ity fihaonana ity moa dia nohararaotin’ireo mponina tany an-toerana ny nitaraina amin’ny haratsian’ny lalana hamoahana ny vokatra, izay miteraka fatiantoka ho an’ny tantsaha, ny tsy fisian’ny trano ho an’ny mpitsabo any an-toerana sy ny olan’ny fampianarana taorian’ny naharava ny C.E.G any an-toerana izany. Nampanantena ity tompon’andraikitra ity fa hitondra izany any amin’ny ambaratonga isan-tokony. Mbola hisy tohiny moa ity fizarana angady ity satria ao anatin’ny vanim-potoanan’ny voly avotra tanterana izao ny tantsaha ka mifanaraka amin’ny filan’ny tantsaha tokoa izany.
Caïus R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.