Politique

Fikambanana AV7 Tsy mila an-dRajoelina ?


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Hiatrika fifidianana isika, ary hita foana ny fikambanan’ireo niharam-boina tamin’ny tifitra teo Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009 na AV7 hatramin’izay nisiany taorian’ny raharaha 2009, indrindra vao resaka politika.

 Hanohana an’iza amin’ity fifidianana ity izy ? Tsiahivina fa ny fampiasan-dRajoelina sy ny mpanongam-panjakana azy natao fitaovana politika teny Ambohitsorohitra nisian’ny raharaha fitifirana teny ny 7 febroary 2009 no antom-pisiany. Nahatsiaro ho natao tohatra fiakarana ka nizarazara sy nisafidy nanara-dia an-dRajaonarimampianina taty aoriana rehefa tsy noraharahian-dRajoelina taty aoriana. Tsikaritra ho nanenjika fatratra an’i Andry Rajoelina mihitsy ry Rafaramandimby Boana Jean Pierre, rehefa tsara tambitambin’ny HVM satria naiditra ho mpiasam-panjakana ireo mpikambana niara-dia taminy. Nahatsiaro ho natao anjorom-bala ka ny mpitondra tetezamita no nanan-karena fa ireo natao fitaovana politika nakana seza sy fahefana voafitaka, raha nanantena tambiny.

Toky R

    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT