Mankalaza ny faha-10 taona nisiany ny fikambanana «Asandratra Talatamaty Iombonana». Niompana hatrany tamin’ny fanasoavana ny mpiara-belona ny hetsika notanterahany
. Mampiavaka ny ATI ireo mpikambana ao anatiny izay ivondronan’ireo olona sahirana eny anivon’ny fokontany mandrafitra ny kaominina Talatamaty. Asa sosialy nanombohan’ny fikambanana ny fankalazana tamin’ny taona 2014, ohatra, ny fizarana kojakojam-pianarana ho an’ny mpianatra. Mitohy amin’ny fikarakarana fifaninanana lalao baolina kitra ho an’olona 7 eny amin’ny kianja Andranotapahana ny fanamarihana io tsingerintaona nijoroan’ny fikambanana io hatramin’ny faran’ny volana mey 2015. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny mponina sy ireo fokontany 12 mandrafitra an’i Talatamaty ny fikambanana ATI ankehitriny. Efa nitantana ary mahalala tsara ity kaominina ity rahateo moa ny filoha mpitarika ny ATI Delmotte Angeline izay anisan’ny kandida ben’ny tanàna amin’ny fifidianana ny 31 jolay izao. Ny fahavononana sy fanapahan-kevitra matotra avy amin’ny mpitondra fanjakana sisa andrasana, hoy ny tenany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.