Politique

Fikambanana Ambalambahoaka Nanatanteraka didimpoitra faobe teny Anatihazo I


  • Alatsinainy 06 Jolay 2015

Nihetsika indray ny fikambanana Ambalambahoaka tamin’ny alalan’ny fanampiana azony avy amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny antoko HVM ka nanatanteraka didimpoitra faobe zaza niisa 300 tao amin’ny Csb II Manampisoa tao Andavamamba Anatihazo I.

 

 Samy notolorana malabary tsirairay avy sy kilalao ary bisikiotra daholo izy rehetra tamin’izany ho tena fanalana fahasahiranana ireo raiamandreniny avy. Fampindraman-trano noho ny fangatahan’ny mpikarakara fotsiny no maha eto anay, hoy Révérand Satrobory. I Kenyot 12 taona no zazalahy zokiny indrindra natao hasoavana tamin’ity hetsika ity izay tsy vitan-dray aman-dreniny izay mipetrala any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy noho ny hasarotam-piainana. Nambaran-dRtoa Randrianainasoa Jenny Claudia mpikarakara fa mbola hoentina eny amin’ny boriborintany 6 eto an-drenivohitra ity hetsika ity ao anatin’ity volana jolay manontolo ity ka ny eny amin’ny Boriborintany faha-2 no hanohizana azy manaraka amin’ny herinandro ambony ho avy io. Heverina hatao isan-taona izao hetsika izao manomboka eto, hoy izy namarana ny teniny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT