Nivoitra nandritra ny valandresaka nataon’ny solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka Andriamasimanana Aureline fa vonona hiatrika ny fifidianana ben’ny tanŕna ho avy izao ny vehivavy izay tarihany ao amin’ny fikambanana Alaotra Miray Hina.
Nisy ny fihaonambe notanterahan’izy ireo ny fiandohan’ny herinandro teo tany Manakambahiny andrefana. Ankoatra ny dinika hoentina mampandroso ny fikambanana sy ny tanànan’Ambatondrazaka, dia nizara nofon-kena mitam-pihavanana Rtoa Solombavambahoaka. Mila mandray andraikitra ny vehivavy eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny tanàna araka ny hevitry ny depiote Aureline. Vonona hitondra ny anjara birikiny izy ireo amin’ny fampandrosoana ireo kaominina 20 ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka.
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.