Fikambanana iray misehatra amin’ny asa fanabeazana eto amintsika ny ADEM ( Association pour le Developpement et l’éducation à Madagascar).
Manohana ny hetsik’ireo solombavambahoaka 73 mianadahy ho amin’ny fanovana etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ireo ankehitriny hahafahana manova sy manatsara ny fiainana ankapoben’ny mponina eto amintsika mihitsy. Vonona ny ADEM hanala an-dRajaonarimampianina eo amin’ny toerany. Na dia efa misy aza ny fandravana ny governemanta izay vaovao nalaza nanomboka ny faran’ny herinandro teo dia nanambara ny ADEM fa tsy mbola afa-po amin’izany ny mpitolona. Mbola takian’izy ireo ny hametrahana ny “etat de droit” eto amin’ny firenena izay tsy tafapetraka araka ny tokony ho izy. Izay mpitondra nifandimby teo dia nilaza ho matahotra an’Andriamanitra avokoa nefa mijaly fadiranovana ny vahoaka. Vonona ny hanohy ny tolona hatrany, araka izany, ny fikambanana mandra-pisian’ny vokatra mahomby. Marihina fa fikambanana iray miandrandra ny soa ho an’ny firenena ihany koa ny ADEM.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.