Politique

Fikambanan’ny gadra politika Mila vahana haingana ny disadisa


  • Alatsinainy 08 Jona 2015

Tsy mankasitraka ny fihemoran’ny firenena intsony, indrindra manoloana ny fahantrana lalina mianjady amin’ny vahoaka Malagasy ankehitriny ny «Fédération des Ex-Détenus Politiques de Madagascar»

. Mila vahana haingana noho izany ny disadisa mampifanolana ny filohan’ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena ary tokony hanatontosa ny asany ao anatin’ny fahalalahana tanteraka ary mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery ny fanapahan-kevitra havoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, hoy kosa ireo filoha mpiara-mitantana ny fikambanana Rakotomalala Henri sy Coutiti Assolant nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy teo teny amin’ny hotely Colbert Antaninarenina. Manohana tanteraka ny fehin-kevitra tapaka teny amin’ny Ivontoerana fandraisana fikaonandoha iraisam-pirenena Ivato ihany koa anefa ny FEDep. Miantso ny filoham-pirenena moa ity fikambanana hivondronan’ireo gadra politika nanomboka ny taona 2002 hatramin’ny 2014 ity, ho sahy hanao dingana lehibe amin’ny fampiharana ny fampihavanam-pirenena. Anisan’izany ny fanatsarana sy fanavaozana ireo andrim-panjakana samihafa toy ny Filankevitry ny Fampihavanam-pirenena Malagasy izay tokony hahitana ny solontenan’ny FEDeP.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT