Politique

Fijerena ny lisi-pifidianana Maro ireo olona tonga eny amin’ny fokontany


  • Zoma 14 Desambra 2018

Afaka herinandro sisa dia hiatrika ny fifidianana fihodinana faharoa amin’izay ho filoham-pirenena hitantana an’i Madagasikara isika.

 

 

Betsaka tamin’ireo mpifidy tsy nifidy tamin’ny fihodinana voalohany no taitra ka efa tonga manatona eny anivon’ny fokontany. Ho an’iny distrikan’Antananarivo Atsimondrano iny, ohatra, dia efa manomboka tsy araka ireo olona tonga mijery ny anarany anaty lisi-pifidianana, indrindra fa ireo tsy nahazo izany tamin’ny fihodinana voalohany. Misy ireo mpiasan’ny fokontany mihitsy no manana fandavan-tena mitety tokantrano manatitra izany mba hahafahan’ny olona mifidy. Anisan’ireny ny fokontany  eny Andranonahoatra Itaosy . Ho an’ireo tsy nahazo kara-pifidianana kosa fa tafiditra ao anaty lisitra dia miezaka manao taratasy manamarina izany ny lehiben’ny fokontany  mba hahafahan’ny mponina mifidy ara-dalàna. Tsiahivina fa anisan’ny tena manosika ny olom-pirenena rehetra hifidy amin’ity fifidianana fihodinana faharoa ity ny mametraka filoham-pirenena azo antoka hitsinjo ny vahoaka Malagasy sy ny firenena iray manontolo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT