Politique

Fihodinana faharoa Vonona ny fampitaovana


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Miroso amin`ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena i Madagasikara ary tafiditra ao anatin`ny herinandro faharoan`ny fampielezan-kevitra.

 

 

 Raha ny ara-teknika no hasian-teny dia efa vonona avokoa ny fitaovana rehetra ampiasaina amin`ny fihodinana faharoa ny 19 desambra ho avy izao.  Ny alin`ny alakamisy 06 desambra no tonga teto an-tanindrazana ireo fitaovana hampiasaina amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Hita ao anatin'izany ireo biletà tokana miisa 10,3 tapitrisa, ny fitantanana an-tsoratra, ny taratasy fanisam-bato, ny taratasy fanisam-pitaovana, ireo "enveloppes inviolables" sns... Ivontoerana enina (6) no nahatongavan'izy ireo mivantana avy any Afrika Atsimo: Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga, Taolagnaro, Toliara ary Sambava. Tanjona mba hanamorana ny fanaraha-maso sy fanaparitahana avy hatrany any amin'ireo biraom-pifidianana 24 852 manerana ny nosy. Efa misy paikady sy fepetra hitandroana ny maha azo antoka ny fitahirizana azy ireo mandra-pahatongan'ny 19 desambra, androm-pifidianana. Mahakasika ny rindram-baiko nikirakiran'ny CENI ny voka-pifidianana nandritra ny fihodinana voalohany teo dia efa tsy misy ny mampiahiahy fa azo antoka ary mbola hampiasaina amin'ny fihodinana faharoa. Izay no valin'ny tatitry ny fitsirihana (audit) ny logiciel ampiasain'ny CENI nataon'ny Moore Stephens nandritra ny roa andro izay natrehin'ny solontenan'ireo kandida roa tonta sy ny manampahaizana informatikan`izy ireo. Lesoka goavana hita farany teo, ary hanentananny ireo mpifidy, ny tokony hangalan’ny rehetra ny kara-pifididiana eny amin’ ny fokontany. Nilaharana tokoa mantsy ny kara-pifidianana ary mbola nifampitadiavana tamin’ny androm-pifidianana, anton’ny nampandeha ihany koa ny tsaho fa misy ny fangalaram-bato. Nahita lesoka ihany koa teny anivon’ireny rantsa-mangaika ireny ka andrasana ny fomba fiasan’ny tompon’andraikitra eny amin’ny rantsa-mangaika rehetra, mba hialana amin’ny mety ho fifandisoana. Ho sarotra ihany ny fanomanana sy ny andraikitra amin’ ny fihodinana faharoa noho ny fifidianana amin’ny fotoanan’ny orana. 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT