Fihodinana faharoa
Tsy hanaiky fampiesonana intsony ny Malagasy
Nilamindamina ny andro voalohany amin’ny fampielezan-kevitra omaly talata ho an’ny kandida roa tonta Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Ny voalohany nisantatra izany tamin’ny fanompoam-pivavahana, narahana toromarika ankapobeny ary niroso tamin’ny filaharambe nanerana an’Antananarivo. Ny faharoa kosa nisafidy nitsidika faritra vitsivitsy tamin’ny lalam-pirenena voalohany tany amin’ny faritra Itasy. Tsy mitovy ny fihodinana voalohany sy faharoa satria efa roa sisa ankehitriny ny kandida mpifaninana. Samy efa nahita ny mety sy ny tsy mety na tsy ampy tamin’ny nataony ihany koa. Etsy an-kilan’izay anefa, tsikaritra ihany koa fa misy akony amin’ny mpifidy ny zava-nitranga teo anelanelan’ny fanangonana ny voka-pifidianana sy amin’izao fanombohan’ny propagandy izao. Misimisy ihany ny resaka sy vaovao hafahafa nahakasika ny kandida laharana faha-13 na ireo olona miara-dia aminy, tranga izay toa namerina tao an-tsain’ny olona fa ry zareo ireto tokoa no nandrodana sy nanakorontana firenena teto nanomboka tamin’ny 2009. Nijoro ho mpampihavana sy ray aman-dreny ary nahay niresaka sy nifanakalo hevitra tamin’ny rehetra kosa anefa ny kandida laharana faha-25. Mpanangana fa tsy mpandrava isika, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy kabary atao hambaboana ny fon’ny mpifidy fotsiny io fa tena hita mivaingana amin’ny alalan’ireo olona miara-miasa aminy sy ireo nanambara fa hanohana sy hampandany azy amin’ity fihodinana faharoa ity. Ny kandida Rajoelina no tena be mpitory indrindra teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ary ny tatitra nataon’ny mpanara-maso avy amin’ny vondrona eoropeanina dia nilaza mazava fa nizara vola ny kandida laharana faha-13 tamina faritra maro manerana ny nosy. Na dia tsy nanankery teo imason’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana noho ny tsy fahampiana na tsy fahatomombanan’ny porofo aza ireo fitoriana an-jatony dia misy akony any amin’ny saina aman’eritreritry ny mpifidy ireny ary azo ambara fa tena nanamaloka ny kandida laharana faha-13, izay mbola tsy mahakosoka ilay anarana hoe : “manongam-panjakana” hatramin’izao na dia miezaka mafy manatsara endrika ivelany aza. Ny Malagasy rahateo amin’ny ankapobeny efa leo krizy sy savorovoro ary hisafidy ny filaminana, asa mivaingana avy hatrany no andrasana fa tsy nofy ririnina hanaovana kabary ambony vavahady ao anaty fahavaratra. Mitombina tanteraka ilay hoe: saropady ity fifidianana 2018 ity satria eto no hanapa-kevitra ny Malagasy. Mbola hanonofy sy hanao ariary zato am-pandriana foana ve dia hirevirevy sa hiasa miaraka amin’ny fanarenana ny firenena ka hizotra mankany amina fiarahamonina tsara sy mendrika kokoa ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.