Politique

Fihodinana faharoa Mila mivonona ny rehetra


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Hiditra amin`ny andro faharoa amin’ny fampielezan-kevitra amin`ny fihodinana faharoa isika anio.

 

 

Tamin`ny fihodinana voalohany, 36 ireo kandidà nilatsaka hofidiana ka tamin`ny alalan`ny fisongadinana nandritra ny fampielezan-kevitra no nahafahan`ny ireo kandidà roa nandresy lahatra. Raha tsiahivina, mpiantsehatra nifandona mafy tamin`ny 2008 sy 2009 no hifanandrina. Ho mafimafy ny mety hifanandrinana ao anaty propagandy. Samy manana mpanohana mavitrika, samy manam-bola ampiasaina izy ireo nefa ny fanatonana ifotony no andrasan`ny vahoaka amin`ity fampielezan-kevitra ity ka mila miparitaka ny solontenan`ireo mpifanandrina isaky ny fokontany. Ilain`ny vahoaka fantatra ny programan`asa, ireo kandidà, hahatanteraka ny zavatra noteneniny ary hipaka haingana any amin`ny vahoaka Malagasy ny tombontsoa amin`ny zavatra hataony. Mila fidinana ifotony ka izay no anisan`ny hisongadina amin`ity fihodinana faharoa ity. Isan`ny tena tokony ho tandrovana dia manomboka eo amin`ny fanisam-bato satria samy hanana fomba hahafahany miampita ny isan-jato azony ireo kandidà ireo ary mety hilaza fa samy ho lany ho filoham-pirenena. Mila miditra an-tsehatra ny manampahefana, indrindra ny CENI, mba hisian`ny fitokisana amin`ny fikirakirana voka-pifidianana. Mba hampisy ihany koa ny fangarahana sy tsy fitanilana amin`ireo kandidà ireo dia tokony hamoaka ny voka-pifidianana ao anatin`ny fotoana fohy, izany hoe alohan`ny 31 desambra ho avy izao izay voatondro ao anatin`ny tetiandrom-pidianana. Mila mivonona kosa ny kandidà hiandry ny voka-pifidianana ao anaty fitoniana ary indrindra hanaiky izay voka-pifidianana havoakan`izay manam-pahefana mahefa eo.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT