Politique

Fihodinana faharoa Ady lalao miverina tamin`ny 2008-2009…


  • Zoma 30 Novambra 2018

Nivoaka ny vokatra ofisialy teo anivon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

 

 

 Zavatra anankiray goavana be no azo tsoahana tamin`ny voka-pifidianana ofisialy dia maro ny fanakanana tamin`ny rindram-baiko fanisam-bato nataon`ny vaomieram-pirenena mikarakara fifidianana, hoy ny mpitsara, Imbiky Herilaza. Tsy azo adinoina fa rindram-baiko hafa sy fomba fiasa hafa no nampiasain`ny HCC kanefa tsy nifanalavitra ny isam-bato ny voka-pifidianana vonjimaika sy ny voka-pifidianana ofisialy. Misy maha marina ny fomba fiasan`ny CENI ary nety mipetraka ihany  ny ampaham-pitokisana amin`ny fomba fiasany amin`ity fihodinana faharoa ity. Ankoatra izay, hoy Imbiky Herilaza, efa nampoizina ny vokatra fa karazana  ady lalao miverina tamin`ny taona 2008-2009 ity mitranga ity. Tsikaritra fa tsy nety tamin`ny Malagasy ny fampiharana ny tsy fahazoan`ireto kandidà hilatsaka tamin`ny fifidianana filoham-pirenena 2013. Zavatra roa no atahorana amin`izao fotoana izao, hoy ity mpitsara ity: voalohany ny “carte electorale”, izany hoe ny rafitry ny isam-bato sy isan-jato azon`ireto mpifanandrina ireto. Matanjaka be ireo kandidà ireo: ny iray natanjaka tamin`ny faritany ka ny faharoa kosa teto afovoantany sy tany Boeny no nanjaka. Fantatra fa ny kajikajy amin`ny fifidianana dia tsy maintsy amin`izay toerana latsaka ny isam-bato azo sy izay betsaka ny isan`ny mpifidy no tsy maintsy hanaovana fampielezan-kevitra sy fandresen-dahatra mafimafy. Faharoa, misy fomba fisainana sy fomba fitondrana samihafa mihitsy ireo kandià roa ireo nandritra ny propagandy. Ny kandidà iray manakaiky kokoa ny vahoaka fa ny iray indray dia mitondra zava-baovao amin`ny fampielezan-kevitra ka hanohy ny fanavaozana entina sady hidina ifotony ihany koa hanakaiky bebe kokoa ny vahoaka.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT