Politique

Fihetsiketsehana an-dalambe Ho avy indray ny fanakanana ?


  • Alarobia 09 Mey 2018

Namoaka toromarika ho an’ireo tompon’andraiki-panjakana momba ny fihetsiketsehana an-dalambe omaly ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier.

Milaza io taratasy ofisialy io fa tsikaritra tato ho ato tamina toerana sasantsasany ny fisiana fidinana an-dalambe kanefa tsy nisy fampandrenesana sy fakana fahazoan-dalana avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana. Milaza ity fanambarana ity fa manaja ny fitsipika sy lalàna misy momba ny famoriam-bahoaka sy ny fidinana an-dalambe ny rafi-panjakana tahaka ny OMC (organe mixte de Conception) sy ny EMMO (Etat-Major Mixte Operationnel) ka noho izany tsy maintsy misy ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana omena azy ireo ataon’izay te hikarakara hetsika. Mety hoekena na holavina arakaraka ny trangan-javatra misy izy io. Mandray ny andraikiny mba hisorohana ny mety ho fihoaram-pefy avy eo ny mpitandro ny filaminana. Manindry mafy ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana fa zava-dehibe ny fanaovan’ireo tompon’andraiki-panjakana tatitra ara-potoana ny amin’ny zava-mitranga amin’ny faritra iadidiany. Ho avy amin’izay ve izany ny fandravana ny hetsika ataon’ny depioten’ny fanovana etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ? Efa nilaza mantsy ny mpitondra fanjakana fa ny 21 aprily ihany izy ireo no nahazo alalana avy amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra. Ny prefen’Antananario moa dia efa tsy re feo intsony taorian’izay. Hosakanana ihany koa ve ny fidinana an-dalambe sy ny fandehanana eny amin’ny minisitera manomboka anio sa mba vono vorona fotsiny ihany ity toromarika ity na fihetsiketsehana ara-teknika atao entina ilazana amin’ireo mpanelanelana iraisam-pirenena fa mbola misy fitondrana mijoro ihany eto ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT