Politique

Fihetsiketsehan’ny mpianatra Ankatso Nirefotra indray ny lakrimozenina


  • Talata 13 Janoary 2015

Nirefotra indray ny lakrimozenina omaly teny Ankatso nandritra ny hetsika nataon’ireo mpianatra. Araka ny efa nolazain’ireo mpianatra mantsy dia hihetsika izy ireo ho fitakiana ny famoahana an’i Berija,

indrindra ny fanamafisana ny fangatahan’izy ireo mahakasika ny fampanantenana isan-tokony izay nolazaina fa hotanterahina. Nisy  ny fidinana an-dalambe nataon’izy ireo teny amin’ny toby fiantsonana Ankatso sy Ambohipo iny ka nilanjan’izy ireo sorabaventy milaza ny hamoahana ny namany izay voatazona any Tsiafahy. Tsy lasa lavitra anefa izy ireo satria efa nisy ny fibahanan-dalana nataon’ny Emmoreg. Fotoana vitsy ihany koa dia efa naparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso izy ireo. Manoloana izany anefa dia nilaza ireo mpianatra fa tsy hihemotra ary tsy hijanona raha tsy mivoaka i Berija. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT