Politika avokoa ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny, hoy ireo mpanara-baovao.
Fomba fiady iny famezivezena ny fandinihana ny sata manokana mifehy ny tanànan’Antananarivo Renivohitra iny. Nifanindran-dalana tamin’io fandaniam-potoana io ny famoahan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita ny tetiandrom-pifidianana kaominaly. Daty vaovao nomen’ny Ceni-T hanatontosana ny fifidianana ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsaina ny 31 jolay 2015. Soso-kevitra ihany anefa io fa ny filankevitry ny minisitra no tompon’ny teny farany amin’ny tena daty raikitra hirosoana amin’ny fandrotsaham-bato eto Madagasikara. Nandroso hevitra ny hanemorana ny fifidianana amin’ny volana oktobra vao haingana moa ny mpanolotsaina manokana ny filohan’ny Repoblika iray. Nanamafy rahateo tamin’iny faran’ny herinandro iny ny minisitry ny Atitany Solonandrasana Mahafaly Olivier ny tsy maintsy hamitana ny fifidianana kaominaly amin’ity taona ity. Trangan-javatra manambara ireo fa efa voakajin’ny mpitondra ny fizotran’ny raharaham-pirenena, hoy ny mpandinika ny fiainam-pirenena.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.