Vita izay ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy izay somary nampiato kely ny fihazakazaky ny toe-draharaha politika eto Madagasikara fa miverina amin’ny andavanandro indray ankehitriny.
Raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia rahampitso no hihaona amin’ny toerana voafidy ny Filoham-pirenena malagasy Hery Rajaonarimampianina sy ireo solombavambahoaka saika hanala azy tamin’ny toerany. Efa in-telo no nihemotra ity fihaonana ity ka asa raha ho vanona ihany. Ny momba ny fiaraha-mitantana ny firenena sy ny fitadiavana marimaritra iraisana amin’ny fampandriana fahalemana ny tany sy ny tontolo politika no tanjona ka ho hita eo. Atoa Manandafy Rakotonirina, filohan’ny antoko Mfm dia efa nanambara fa ho sarotra ny miandry ny Filoha ankehitriny amin’io tsy fananany Solombavambahoaka voafidy tamin’ny lokon’ny antokony io. Nandritra ny fitokanana ny toeram-pitsaboana vaovao sy ny trano fonenan’ny mpiasam-panjakana teny Anosiala Ambohidratrimo ny alarobia 24 jona teo anefa dia mbola nanambara ny Filoha Hery Rajaonarimampianina fa izy no tokony hanendry ny praiminisitra. Fepetra tsy maintsy arahina izany, hoy ny Filoha mba hahitana fitoniana politika ary nambarany fa sarotiny amin’izany ny tenany. Aiza ho aiza amin’izany ny tena hevitr’ilay andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana ? Very an-javony koa ve izany ilay fikasana hanao praiminisitra an’ilay Solombavambahoaka avy any amin’ny faritany atsimotsimo iny ? Ho sarotra ihany ny hino fa hisy lalànany ity « Pacte de responsabilité » takian’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ity.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.