Niantso ireo mpamatsy vola mba tsy hisalasala fa ho avy aty afrika ary hampiasa ny volany ny filoham-pirenena Malagasy, nandritra ny lahateniny omaly tao amin’ilay fihaonamben’i Etazonia sy Afrika any Washington
. Efa niasa, miasa ary mbola hiasa amin’ny fametrahana tontolon’ny fandraharahana sy ny fampiasana vola milamina ny kaontinanta Afrikanina, hoy izy ka noho izany dia tsy tokony hisalasala ireo mpanambola. Mino aho fa tsy maintsy hanana ny toerany eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao amin’ny ho avy i Afrika, hoy ny filoha malagasy ka izay no hisintonana ny sain’ireo mpamatsy vola mba ho avy hiaraka hiasa sy hifanome tanana amin’i Afrika. Omaly no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ilay fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy Afrika. Filoham-panjakana afrikanina manodidina ny 50 no tonga any Washington. Mihodinkodina eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra ny lahadinika any an-toerana. Horesahana manokana ny AGOA fa hifanakalozan-kevitra ihany koa ny resaka filaminana ary ny demokrasia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.