« Fa fampihavanana sy fanantenana ho antsika i Kristy » Efesiana 2/14. Io no teny faneva nofinidin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara ho an’ny fihaonambem-pirenena ho an’ny dinika ho amin’ny fampihavanana izay nanomboka omaly teny amin’ny CCI Ivato.
Feno hipoka ny trano ary samy vakivaky fo ny mpanatrika naheno ny toritenin’ny Dokotera Rakoto Endor Modeste, filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy nanambara fa ny ra sy ny aina nalatsaky ny tompo dia efa ampy hampivitrana indray ny fisarasarahana sy ny ady lahy ,nateraky ny foto-kevitra politika sy ny fiadiana tombotsoa manokana ka zary sakana tsy ahitana fandriampahalemana.
Disadisa politika
Rehefa nandray fitenenana ihany koa ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Hery Rajaonarimampianina dia namaly ny fanontanian’ny olona nanao hoe fa angaha nisy niady ny Malagasy no mila ampihavanina ? Ady lahy politika no nisy teto hoy ny Filoha, disadisa politika izay namoizana ain’olona. Teo ihany koa ny naratra, ny rava fanana, ny fanonganam-panajakana. Potika noho izany ny toe-karena ka nandrava ny tontolo ara-tsosialy maron’ny fiaraha-monina. Vokany hadino ny vahoaka ary dia difotry ny fahantrana nandritra ny 50 taona ny firenena. Izany no ilàna ny fampihavanana manomboka aty amin’ny mpanao politika ka hipaka hatrany amin’ ny tokatrano tsirairay hoy Atoa Hery Rajaonarimampianina izay tsy nanadino ny nisaotra ireo solotenan’ny faritra 22 tonga teny Ivato. Teo vao tsapa fa nazava tamin’ny mpandray anjara ny tena anton’ity fampihavanana atao ity.
Antson’ny vahoaka
Hoan’ny filohan’ny Ffkm, ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina no sady filoha’ny Fjkm ihany koa dia nampatsiahiviny fa noho ny fiangavian’ny vahoaka izay tsy nitsahatra ny nanao antso antso ny handraisan’ny fiangoanana andraikitra no nahatonga anay eto amin’ity toerana ity hoy ny fanambarany. Ninoanay fa antson’Andriamanitra ny antson’ny vahoaka nangetaheta fihavanana ka izany no nahatonga niditra an-tsehatra « Tsy afa miala amin’izao tontolo izao ny fiangonana na dia tsy naman’izao tontolo izao aza » hoy izy nanasongadina. Notsipihany mazava tsara anefa fa mpitarika sy mpampatsiahy ny hafatry ny Tompo ny amin’ny tokony hihavanana no anjaran’izy ireo fa andraikitry ny tsirairay izay tonga saina amin’izany no manao izay hahatanteraka izany hoy ny hafany.Efa tena mafy ny niainan’ny Malagasy tato anatin’ny enin-taona izay, isan-karazany ny fivoriana, dinika sy fihaonana,niavaka kosa anefa ny dinika karakarain’ny FFKM satria nahavita nampihaona ireo filoha nifanenjika sy nifanongana koa maro noho izany no miandrandra vokatra tsara avy amin’ity dinika eny amin’ny CCI Ivato ity.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.