Politique

Fihaonambem-pirenena eny Ivato Hanova ny lalŕmpanorenana


  • Talata 28 Aprily 2015

Hifantoka eny amin’ny CCI Ivato indray ny sain’ny mpanara-baovao manomboka anio satria tanterahana eny ny fakan-kevitra nasionaly izay tafiditra ao anatin’ny hetsika fampihavanam-pirenena karakarain’ny FFKM

 


 

. Hatolotra mivantana ny filoham-pirenena ny fehin-kevitra hivoaka avy amin’ity dinika nasionaly ity ary tohin’ny lojika ny famadihana izany ho lalàna izay mety hiafara mihitsy amin’ny fanitsiana na fanovana ny lalàmpanorenana moa.

Amin-kitsim-po

Hatreto aloha dia voalaza fa antoko politika maherin’ny 50 amin’ireo heverina fa lehibe sy mahenika an’i Madagasikara no handray anjara amin’ny adihevitra eny Ivato, ho tonga eny ihany koa ny firaisamonim-pirenena, ireo fikambanana ara-politika sy ara-pinoana maro samihafa, ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka, ireo teknisianina sy manampahaizana amian’ny sehatra isan-karazany. Handray anjara feno amin’ny dinika sy ny asam-baomiera rehetra ny ankolafy Ratsiraka, Ravalomanana sy ny ekipan’ny fitondrana. Tsy handray anjara kosa ny ankolafy Zafy sy Rajoelina. Atoa Marc Ravalomanana manokana, tao anatin’ilay taratasy natolony ny FFKM ny zoma 24 aprily lasa teo dia efa naneho ny fahatokisany ny fampihavanam-pirenena no sady nankasitraka ny ezaka avy amin’ny FFKM. Nanamarika ihany koa anefa izy fa tokony ho amin-kitsim-po no hiatrehan’ireo mpandray anjara ny dinika. Manantena ihany koa ity filoha teo aloha ity fa ho fehin-kevitra matotra sy hanan-kery azo ampiharina avy hatrany ary ho hankatoavin’ny rehetra ho toy ny lalàna velona eto amin’ny firenena no hivoaka avy amin’ny fihaonana. Notsindriany ihany koa ny tokony hanafoanana ilay didim-panjakana tsy mamela azy hisitraka ny zony sy ny fahafahany rehetra.

Fifidianana mialoha ny fotoana ?

Raha nisy ny fihaonambem-paritra sy fihaonambem-pirenena tamin’ny 2009 sy 2010 dia niafara tamin’ny fandrafetana ny lalampanorenan’ny repoblika faha 4 izany, ka maro no mihevitra fa tsy maintsy hiafara amin’izany ity fakan-kevitra sy fihaonambe ao anatin’ny fampihavanam-pirenena ity.Izany moa dia ho fanatsarana hatrany ny ezaka efa vita sy ho fanitsiana ny tsy nety tany aloha tany ihany koa mba hisian’ny fitoniana hahafahana miasa sy mamokatra ara-dalàna. Azo heverina koa anefa ny mety hisian’ny fifidianana mialoha ny fotoana fa tsy hiandry ny amin’ny 2018.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT