Politique

Fihaonambem-paritry ny HVM Ny Faritra Vakinankaratra no ampiasaina hitady vola


  • Alarobia 11 Martsa 2015

Mitady vola 23 tapitrisa Ariary mahery ny antoko HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara) hoentiny manana ny fanatanterahana fihaonambem-paritra (Assise régionale) ao Antsirabe ny amin’ny 15 martsa ho avy izao. Nisy taratasy voasonian’ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, tamin’ny datin’ny 5 martsa 2015

 

 izay misy mari-pamantarana ny Faritra sy nampiasana fitombokasem-panjakana naparitaka tamina orinasa miisa 18 ao Vakinankaratra, milazalaza sy mampahafantatra ny fandaniana amin’izany fihaonam-be izany sy miantso ny fandraisaisan’anjaran’ireo orinasa ireo. Nanaitra ny fahitana io taratasy io, satria porofo mitohoka amin’ny tenda fa atao fitaovana politika ny fitantanandraharaham-panjakana, izay miendrika fanararaotam-pahefana rahateo. Aiza ilay fahaiza-mitantana dradraina sy nanaovana teny avo tamin’ireo lehiben’ny Faritra sy administratera sivily vao tsy nisy iray volana akory izay ? Tsy resahina intsony ny fanerena an-kolaka ny mpandraharaha hanome vola na fitaovana hoenti-manana io fihaonambem-paritry ny HVM io. Vao fihaonambem-paritry ny antoko eo amin’ny fitondrana aza dia efa izao no fisehony, mainka fa raikitra eo ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina tsy ho raharaha eto !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT