Manoloana ny fitavozavozan地y fanjakana tamin地y fandraisana fanapahan-kevitra momba ny fifidianana, toy ny tsy nivoahan地y didim-panjakana mamaritra ny fifidianana kaominaly raha tsy tamin地y 1 aprily 2015, ny 8 aprily 2015 no nanomboka ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana nefa aty amin地y 16 aprily 2015 vao notendrena ireo 撤r馭et�
, izay tompon’andraikitra tondroin’ny lalàna hamaritra ny isan’ny mpanolotsaina hofidiana isaky ny Kaomininina ary vao ny 30 aprily 2015 teo no nivoaka avy eo anivon’ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola ny famaritana momba ny hetra aloa hahazoan’ireo mpilatsaka hofidiana ny “Etat 211 bis”, ary vao omaly no naparitaka na dia nambara aza fa nisokatra hatrany ny birao nandritra ny faran’ny herinandro. Noho ireo sy araka ny fangatahana avy eny amin’ny rantsamangaikan’ny CENI-T manerana ny Nosy, ary anisan’ny fangatahan’ny mpizaika tamin’ny fihaonambem-pirenena momba ny fihavanam-pirenena tarihin’ny FFKM notanterahina teny Ivato ny 28 aprily ka hatramin’ny 2 mey teo ihany koa, dia nanapa-kevitra ny CENI-T taorian’ny fivoriambeny omaly tolakandro fa hitarina 8 andro ny fandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ho Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina, ka raha tokony amin’ny 7 mey 2015 ny fara-fandraisana ny firotsahan-kofidiana dia nohalavaina hatramin’ny 15 mey 2015 izany, rehefa nanomboka tamin’ny 8 aprily 2015. Io 15 mey 2015 io no fetra farany raha hotazomina ihany ny datin’ny 31 jolay 2015 hanaovana ny latsa-bato. Miankina amin’ny ara-bola ihany koa anefa izany. Omaly ihany dia natolotra ny minisiteran’ny Atitany io fanapahan-kevitra io, mba haroso hodinihina mandritra ny filankevitry ny governemanta anio. Didim-panjakana raisina eo anivon’ny filankevitry ny governemanta ihany mantsy no mamaritra ny fepetra tanterahina momba ny fifidianana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.