Mitebiteby fatratra ny vahoaka ary raha izao no mitohy, ahiana hikorontana ny samy Malagasy ka fotoana hiantsoana ny raiamandreny am-panahy toy ny FFKM ny vanim-potoana toy izao, hoy ny resaky ny olom-pirenena etsy sy eroa.
Samy zanaky ny FFKM ireo kandidà nifanandrina tamin`ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa. Manana andraikitra goavana izy ireo, indrindra amin`izao hanjakan`ny tsy ara-dalàna izao. Maro ny mihevitra fa tokony hijoro sy hampiantso ireo kandidà roa tonta ireto raiamandreny am-panahy ireto amin`ny fandrindrana ny mpomba ny tsirairay mba hitazonana ny firaisankinam-pirenena fa tsy hisian`ny fizarazarana. Tokony hiantso ny mpitondra fanjakana, ny mpitandro ny filaminana, indrindra ny CENI izay tompon’andraikitra amin`ny fanatanterahana fifidianana ny FFKM. Antony, ireo tompon’andraikitra ireo dia tokony hamela ny olona hitady ny fahamarinana saingy tsy ao anatin`ny fitanilana. Ny fanekena voka-pifidianana mantsy dia miankina amin`ny fomba fiasa mangarahara sy ara-dalàna ataon`ireo rafitra mpikirakira fifidianana toy ny amin`ny vaomiera misahana ny fifidianana (CENI) sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Tsy hisy fitoniana raha amin`ny tsy ara-dalàna ka manana andraikitra goavana ireo raiamandreny am-panahy toy ny FFKM sy ny CFM izay napetraka mba hitandro ny fandaminana sy fitoniana eto amin`ny firenena. Tokony hiantso fitoniana sy fifandraisan-tanana mba hanaiky voka-pifidianana raha toa ka ara-dalàna ny FFKM.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.