Politique

Fifidianana teto Madagasikara Eny anivon`ny birao fandatsaham-bato no olana hatrizay


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Mpikambana 257 avy amin`ny rantsamangaika eo amin`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) isam-paritra no manaraka ny fiofanana ho an`ny mpampiofana etsy amin`ny Carlton Anosy.

 

 

Fahadisoana izay saika eo anivon`ny fandatsaham-bato avokoa no olana tamin`ireo fifidianana nisy teto Madagasikara. Tanjona mba hanamafisana ny fahaiza-manaon`ireo mpikambana eny anivon`ny birao fandatsaham-bato, hoy ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo, satria an-jatony ny safidim-bahoaka maty noho ny fahadisoana izay hita sy natao tao anatin`ireny birao fandatsaham-bato ireny. Raha indray andro monja ny fampiofanana hatramin`izay dia nitarina ho efatra andro tamin`ity, hoy izy. Hanana anjara asa goavana amin`ny fanaraha-mason`ny fahadiovan`ny fifidianana ny fananan`ireo kandidà solontena any amin`ireo biraom-pifidianana ka rariny, hoy ny “Institut Electoral pour une Démocratie Durable en Afrique” (EISA) raha hampafantarina azy ireo izay ho anjara andraikiny amin`ny asany. Ny fampiofanana dia hiompana amin`ny dingana tokony harahina raha handefa solontena ny kandidà eny amin`ny birao fandatsaham-bato, izay lazain`ny lalàna amin`ny fanaraha-maso amin`ny fifidianana eny anivon`ny biraom-pifidianana. Hampahafantarina ihany koa izay zavatra tokony harahina maso manokana rehefa eny amin`ny birao fandatsaham-bato rehefa misokatra ny fifidianana, rehefa mizotra ny fifidianana ary rehefa mikatona ny fifidianana. Nohamafisin`ny EISA fa ny fananan`ireo kandidà solontena no antoka amin`ny fanamafisana ny fangaraharana amin`ny fifidianana. Marihina fa tsy mihoatra ny efatra ny solontenan`ny kandidà iray. Ireto mpampiofana izay hofanina ireto dia avy amin`ny mpikambana eny anivon`ny CENI eny amin`ny faritany sy eny amin`ny faritra ary ahitana solontenan`ny mpitsara ao anatin`ny faritany enina eto Madagasikara.  Nisokatra omaly ny fampiofanana ho an`ireo mpiampiofana ary hifarana ny zoma ho avy izao.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT