Politique

Fifidianana teny Tsimbazaza Niteny ny vola sy ny resa-pihaviana


  • Sabotsy 09 Aogositra 2014

Fombafomba fotsiny ihany sisa ilay ambara fifidianana ireo solotena roan’ny Antenimieram-pirenena ho mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenena (HCC) natao teny tsimbazaza omaly, fa efa fantatra mialoha ny safidy

Niteniteny indray mantsy ny vola tamin’ity indray mitoraka ity. 5 hetsy Ariary isan’olona. Izay no nalaza ! Ny ambonin’izay tsy ferana. Tsy ny rehetra aloha no nahazo, saingy tsy nanda ny fisiany izay nanontaniana. Tranga izay efa tsy mahagaga eny Tsimbazaza ary tena mandratsy laza ity andrim-panjakana indray mitoraka ity. Fa ny tena mba misintona ny saina dia ny fivoizana indray ny resa-pihaviana tao anatin’iny fifidianana indray mitoraka iny. Ho mpitsara hiaro ny fanajana ny lalampanorenana anefa no nofidiana. Mpitsara avokoa ihany koa ireo kandida niisa 28 nisafidianana 2 ho eny Ambohidahy. Mialoha ny handraisany asa anefa ny mpitsara iray dia manao fihanianana fa “Tsy hijery tavan’olona”. Inona anefa no ao ambadiky ny resa-pihaviana fa tsy fijerena tavan’olona ?

Ifandovana

Dieny ety ampiandohana anie izany dia efa ahiahy no ambolen’iny tranga teny Tsimbazaza omaly iny ao an-tsain’ny Malagasy e. Tranga izay mampahatsiahy ireo fahotana vitan’io HCC io, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fanaovany fivoriana any anaty hotely tany Mantasoa tamin’ny 2002 nefa voalaza mazava fa ao Ambohidahy no foiben’ny HCC. Nampidi-kizo ny firenena ihany koa ny nanamasinany ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Tsy resahina intsony ny amin’ilay andininy faha-54 ao amin’ny lalampanorenena mikasika ny fanendrena praiminisitra nampifanolana farany teo iny. Zafimihary Marcellin sy Dama Andrianarisedo Retaf Arsène izany no solotenan’ny Antenimieram-pirenana eny Ambohidahy. Lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny tribonalin’i Mahajanga itsy voalohany. Isam-bato 50 amin’ny 128 nandatsa-bato no azony, raha 46 ny an’ny faharoa, izay mpampianatra ao amin’ny Sekoly fanofanana mpitsara. Efa mpikambana tao amin’ny HCC ary mpikambana ankehitriny ao amin’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana na (CES) ny vadin’ity farany. Lasa ifandovana indray koa izany ao Ambohidahy eo. K’inona fa tsy lasa raharaham-pianakaviana ihany koa ity !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT