Politique

Fifidianana teny atsimondrano Maro ireo tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana


  • Alakamisy 08 Novambra 2018

Betsaka ireo olom-pirenena feno 18 taona tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana nandritra ny fifidianana izay notanterahina omaly ka tsy afaka nandatsa-bato nifidy.

 

 

 

  Fokontany maromaro no nahitana izany teny amin’iny distrikan’Atsimondrano iny ka anisan’ireny ny Fokontany Ambodifasika Itaosy  izay saika nahitana korontana mihitsy nanomboka ny talata lasa teo. Tsy nisy nizara mantsy ny kara-pifidianana tao amin’ity Fokontany iray ity fa dia nisavovona fotsiny tao amin’ny fokontany, raha araka ny fitarainan’ny mponina. Teo an-danin’izay te-hifidy avokoa ny ankamaroan’ny olona ka mbola nisahirana nijery ireo boky marobe nisy ny anarany saingy mbola tsy tao ihany koa ny sasany raha tao ihany ny hafa saingy tsy nahazo karatra kosa. Ankoatra ity Fokontany iray ity moa dia betsaka ireo Fokontany teny amin’iny faritra iny no nahazoana fitarainana. Ho an’ny EPP Andranonahoatra, toerana nandatsaham-bato omaly dia anisan’ny nampitaraina ny olona ny fahaelan’ny fandraisana an-tanana ireo mpifidy tamina birao sasantsasany. Toraka izany koa ny fisiana tanora mianadahy nilaza ho iraky ny CENI nanao fanadihadiana ireo olona avy nandatsa-bato ny amin’izay olona nofidiany. Voaraoka tamin’ny ora farany moa izy mianadahy ireto. Tsiahivina moa fa hanomboka ny 14 ka hatramin’ny 20 Novambra ho avy izao ny fikirakirana ny voka-pifidianana ho an’ny CRMV sy ny CENI. Ny 20 ka hatramin’ny 28 Novambra kosa ny famoahana ny voka-pifidianana raikitra hotanterahin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana.  Raha tsy misy mahazo ny antsasa-manila ireo kandida 36 mianadahy mianaka dia hanomboka ny 04 ka hatramin’ny 18 desambra indray ny fampielezan-kevitra amin’ny fiodinana faharoa raha  hanomboka ny 19 Desambra ny fikirakiran’ny CENI ny voka-pifidianana. Ny 26 desambra ka hatramin’ny 01 janoary no hivoaka ny voka-pifidianana vonjy maika raha ny 01 Janoary taona 2019 ka hatramin’ny 09 Janoary taona 2019 kosa no hamoaka ny vokatra tena raikitra ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana.

 

 Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT