Politique

Fifidianana tao Zimbabwe sy Mali Azon’ny Malagasy akana lesona mialoha


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Lany tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny salan’isa 50% mahery kely tamin’ny fihodinana voalohany ny tanan-kavanan’ny filoham-pirenena teo aloha, Robert Mugabe,

 

 Emerson Mnangagwa tany Zimbabwe. Manohitra ny vokatra ireo mpanohitra any an-toerana ary am-polony maro amin’izy ireo no nosamborina. Any Mali, dia nilaza ny kandida mpanohitra fa hala-bato no nahazoan’ingahy Ibrahim Boubakar Keita ilay 41% mahery. Nanaiky hifanandrina aminy fanindroany ihany i Soumaila Cisse, izay manohitra ity voka-pifidianana. Azon’ny Malagasy akana lesona mialoha sahady ireo tranga ireo raha tena tsy tia korontana intsony araka ny ventesin’izy ireo isan’andro ireo mpanao politika sy mpitondra antsika. Ny zava-misy anefa ankehitriny, ahiana ho vao mainka aza hisambadidaka noho ireo zava-misy 2 karazana any afrika ireo no hisy eto raha tsy mitandrina. Misy mivoy amin’izao fotoana izao fa olon’ny kandida “favori” iray ny eo anivon’ny CENI. Olon’ny HVM kosa no ao amin’ny HCC. Efa nisy nilaza ihany koa fa ny fampahafantarana lalàmpanorenana vaovao mety ho an’ny Malagasy ny azy ireo no hataony amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra raha toa ka hampiely hevitra ireo kandida. Eo anelanelan’ny tontolo politika miha mantsina anefa dia manampy trotraka ihany koa ny vidin-tsolika miha midangana izay manomboka mampiakatra vidim-piainana ihany koa. Na ny fanononana tarehimarika koa aza nirosoan’ny endrika fanakorontanana maro.Ny herisetra sy vono olona moa dia tahaka ny efa fanampin-tsakafo isan’andro amina faritra maro eto amin’ny nosy. Tsy efa fanakorontanana ny Malagasy sahady ve ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT